Index

Proverbes : lokanga

Proverbe Lokanga hisatra. [Veyrières 1913 #2716]
Lokanga hisatra: tapaka andro nanaovana. [Cousins 1871 #1376, Rajemisa 1985]
Lokanga hisatra, tapaka andro nanaovana azy. [Rinara 1974 #129]
Tapaka andro nanaovana toa lokanga hisatra. [Akademia 2005]
Interprétation malgache Enti-milaza zavatra tsara fa tsy maharitra. [Rajemisa 1985]
Enti-milaza zavatra tsy mateza, tsy maharitra hafiriana rehefa ampiasaina na dia tsara aza ny bikabikany ivelany. [Akademia 2005]
Traduction française Ce qui est beau et agréable est souvent fragile, comme l' instrument de musique que les enfants fabriquent avec l' écorce des joncs et dont ils s' amusent en pinçant les cordes. [Veyrières 1913]

Proverbe Lokanga tsy atao ka hoe lehibe ny voatavo. [Akademia 2005]
Lokanga tsy atao ka lehibe ny voatavo. [Rajemisa 1985]
Interprétation malgache Asaina mitendry lokanga voatavo dia mahita fialan-tsiny tsy hanaovana ka mody manao hoe lehibe loatra ny voatavon' io lokanga io ka tsy haiko na manahirana ahy ny mitendry azy. [Akademia 2005]
Milaza ho tsy mahavita zavatra iray niangaviana azy, kanefa te hoderaina indray ka miteniteny momba ny fanaovana an' io zavatra io. [Rajemisa 1985]
Tsy fahaizana na tsy fetezana hanao izay asaina hatao dia mody mamoron-kevitra haniniana an' izay zavatra asaina atao. [Akademia 2005]
Tsy manao ny tena ka mahay milaza erý hoe toy izao sy toy izao. [Rajemisa 1985]

Index