Index

Proverbes : laoka

Proverbe 1Aza marary be vezovezo fa ny laoka tsy misy. [2.558 #701, 2.653 #590]

Proverbe 2Aza misaosao fa loha valala no laoka. [2.558 #790]
Aza misaosao, fa tango lena no laoka. [2.415 #2423]
Traduction françaiseNe vous prélassez pas dans du linge empesé, car en rentrant chez vous, vous trouverez comme nourriture des ailes et des pattes de sauterelles à enlever. [2.415 #2423]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui dépensent beaucoup pour la toilette et n' ont pas ce qui est nécessaire à la vie. [2.415 #2423]

Proverbe 3Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no hovonoina ka telo lahy no asaina mindram-pamaky. [2.558]
Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka fito lahy no mitsangana. [2.415 #1439, 2.653 #645]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodi-akoho no laoka, ka antsy solanga no zahana. [2.558 #783]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodiakoho no laoka, ka famaky no tadiavina. [2.415 #1440, 2.653 #644]
Dedaka tonga rafozana : akoho no hovonoina ka telo lahy no asaina mitsangana. [2.558 #974]
Dedaka tonga rafozana : ka famaky no indramina ary sikina no henjanina, nefa akoho no ho laoka. [2.558]
Dedaka tonga rafozana, ka trano bongo ka asiam-pandri-baratra; akoho ka nindramam-pamaky; vola venty ka ampanjanahina; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.165]
Dedaka tonga rafozana : trano bongo ka asiam-pandri-baratra ; akoho ka nindramam-pamaky ; vola venty ka ampanjanahina ; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.415 #1442]
Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no vonoina, ka dimy no mamono. [1.1]
Interprétation malgacheMihetsiketsika be, nefa tsy hita izay vita, lasan-ko vavany. [1.1]
Traduction françaiseFanfaron qui reçoit ses beaux-parents : il n' a qu' une cabane et il y met un paratonnerre ; il n' a qu' un poulet et il emprunte une hache à découper ; il n' a que 80 centimes et il les prête à intérêt ; il n' a qu' un sou et il l' enveloppe trois fois. [2.415 #1442]
Ne faites pas tant de bruit comme une bru qui reçoit la visite de sa belle-mère : il y a des oeufs pour manger avec le riz, et elle demande une hache pour les casser. [2.415]
Ne mettez pas tout sens dessus dessous comme un gendre qui reçoit la visite des beaux-parents : sept hommes se lèvent pour tuer une poule. [2.415 #1439]
Un vantard recevant la visite de ses beaux-parents: sa maison n' est qu' une cabane et il y met un paratonnerre; il n' a qu' un poulet (à offrir), et il emprunte une hache (comme s' il avait du bœuf); il n' a que quatre-vingts centimes, et il les prête à intérêt: un sou, et il l' enveloppe trois fois. [2.165]
Interprétation françaiseCe proverbe disait l' empressement des gendres à recevoir les beaux-parents ; il se disait aussi des gens parlant haut et troublant tout. [2.415 #1439]
Se disait des gens qui parlaient haut et voulaient dominer. [2.415 #1440]

Proverbe 4Fidiny ve ka ho tranon' amalona (rano) no laoka. [2.558 #1163]

Proverbe 5Izay very tandroho, very laoka. [2.558 #1527]

Proverbe 6Lany maina ohatra ny sakafon-dRandrahona. [2.558]
Lany maina toy ny laokan-Radrahona. [2.415 #3925, 2.653 #1330]
Traduction françaiseMangé sans être accompagné de riz comme les mets de Radrahona. [2.415 #3925]
Interprétation françaiseSe disait des gloutons qui sont trop pressés de manger. [2.415 #3925]

Proverbe 7Rafotsibe lany laoka aho, ka mitsahatra amy ny be efa lany. [2.653 #2601]
Rafotsibe lany laoka aho, ka mitsahatra amin' ny be efa lany. [2.415 #1892]
Rafotsibe lany laoka, ka mitsahatra amin' ny be efa lany. [2.558 #3498]
Traduction françaiseJe suis une pauvre vieille qui a dépensé ses provisions de bouche : je m' arrête à ce que j' ai dépensé, cela me suffit. [2.415 #1892]

Proverbe 8Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona; fa raha izahay no mba mitono toho, ovany ho mandany laoka. [2.653 #2664]
Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona, fa raha izahay no mitono toho, dia ovany ho mandany laoka. [2.558 #3585]
Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona ; raha izahay no mba mitono toho, ovany ho mandany laoka. [2.415 #4565]
Traduction françaiseQuand c'est lui qui fait cuire des chevrettes il n'y a rien à dire, mais quand c' est nous qui faisons griller des poissons toho c' est bien différent et il dit que nous gaspillons les met. [2.415 #4565]
Interprétation françaiseC' est un égoiste, qui trouve bien ce qu' il fait, et mal ce que font les autres. [2.415 #4565]

Proverbe 9Raha kamboty tsara laoka, ary malahelo ary fady, dia mba isan' ny mpanan-karena ihany. [2.415 #1039, 2.653]
Raha kamboty tsara laoka, ka malahelo àry fady, dia isan' ny mpanana ihany. [2.558 #3589]
Traduction françaiseOrphelin qui trouve une bonne nourriture, et malheureux qui ne manque de rien : c' est comme s' ils étaient riches. [2.415 #1039]
Interprétation françaiseCe proverbe se disait des bonnes aubaines. [2.415 #1039]

Proverbe 10Tanora ratsy fihary: antitra vao maka kitay. [1.1]
Tanora, ratsy fihary: antitra, vao ratsy laoka. [2.415 #1862, 2.653 #3020]
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka. [2.165 #1919, 2.558 #4062, 1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa izay manao an-tsirambina amin' ny fitadiavana raha tanora dia hahantra sahirana raha antitra. [1.1]
Izay tsy manao ny hahatsara fivelomana azy ra ha mbola tanora, rehefa antitra vao mijaly na sahirana. [1.1]
Tokony hitsinjo ny ho avy; izay tsy mba mihevitra ny hanangona fony tanora, hahantra tsy mba hanana ny metimety rehefa antitra. [1.1]
Traduction françaiseCelui qui ne sait pas amasser dans sa jeunesse est réduit à se contenter d' une mauvaise nourriture lorsqu' il est atteint par la vieillesse. [2.415 #1862]
Ne guère amasser pendant sa jeunesse, et n' avoir guère à manger dans sa vieillesse. [2.165]
Un jeune qui ne sait pas épargner, finira dans sa vieillesse par se contenter d’aliments détestables. [2.974 #110]
Interprétation françaiseSe disait des jeunes gens paresseux et prodigues. [2.415 #1862]

Proverbe 11Tonga ranaotra, tsy misy laoka ; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [2.415 #1165]
Tonga ranaotra, tsy misy ny laoka; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [2.653 #3128]
Tonga Ranaotra tsy misy ny laoka, lasa Ranaotra vonoy ny vositra. [2.558 #4185]
Tonga Ranaotra vao lany ny laoka. [2.165 #955]
Traduction françaiseQuand arrive le beau-frère il n' y a pas de mets à lui servir, et quand il est parti on tue un boeuf. [2.415]
Quand le beau-frère (ou la belle-sœur) arriva, on venait de finir la viande. [2.165]
Interprétation françaisePhrase servant à s' excuser auprès de ses parents de ne pouvoir leur offrir un meilleur repas. Ils sont arrivés trop tard! [2.165]

Proverbe 12Tsy misy na inona na inona ohatra ny laoka sirahazo. [2.558]

Index