Index

Proverbes : kekerina

Proverbe 1Nokekerin' amboa tany Imamo, ka any Ambatomanga mbola mikapoka alika ihany. [2.415 #6404, 2.653]
Traduction françaiseMordu par un chien dans l'Imamo, il frappe encore les chiens lorsqu' il est à Ambatomanga dans l'Imerina. [2.415 #6404]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui n' oublient pas. [2.415 #6404]

Proverbe 2Nokekerin' ny amboa kely tiana. [1.1 #61]
Nokekerin' ny amboa kely tiana izy. [2.415]
Nokinaikitry ny amboakely tiana. [2.558 #2807]
Voakaikitry ny amboa kely tiana. [2.974 #388]
Interprétation malgacheEnti-milaza olona navadik' ilay olon-tiany fatratra. [1.1 #61]
Traduction françaiseIl a été mordu par son petit chien chéri. [2.415]
Il a été payé d’ingratitude. [2.415]
Mordu par son petit chien favori. [2.974 #388]

Proverbe 3Nokekerin’ ny sokina aho, nigigigigy ; nokekerin’ ny trandraka aho, nidradradradra. [2.653]
Nokinaikitry ny sokina aho, nigigigigy, nokinaikitry ny trandraka, nidradradradra. [2.558 #2808]

Proverbe 4Raha indrindra ho hanim-biby ihany, aleo kaikerin' ny renin-tantely, fa ireny no ela nihinanana ny mamy, ary raha indrindra ho fatoram-bahy ihany, aleo fatoran' ovy, fa ireny no efa nahitana ny vokatra. [2.558]
Raha indrindra hohanim-biby ihany, aleo kekerin' ny renitantely, fa ireny no efa nihinana ny mamy ; ary raha indrindra ho fatoram-bahy ihany, aleo fatoran' ny ovy, fa ireny no efa nahitana ny vokatra. [2.415 #732, 2.653]
Traduction françaiseS' il faut être dévoré par les bêtes, il vaut mieux être piqué par des abeilles, car elles ont mangé des douceurs ; s' il faut être garrotté avec des lianes, il vaut mieux être attaché avec des ignames, car on en a tiré des fruits. [2.415 #732]
Interprétation françaiseSe disait des grands qui exploitaient le peuple, mais en y mettant des formes. [2.415 #732]

Proverbe 5Tany Imano re no nokekerin' alika fony fahavaratra, ka ambaraka ny efa aty Ilavatehezana avy ankehitriny no malonilony manenjika amboa mba hivaliana faty. [2.415 #6384]
Traduction françaiseIl a été mordu par un chien dans l'Imano pendant l' été, et à Ilavatehezana maintenant il poursuit les chiens pour se venger. [2.415 #6384]
Interprétation françaiseIl n' oublie pas. [2.415 #6384]

Proverbe 6Tsy misy mafy noho ny maty anaka ; fa raha kekerin' ny moka, mitehaka. [2.415 #952, 2.653 #3523]
Tsy misy mafy ohatra ny maty anaka, fa raha kaikerin' ny moka mitehaka. [2.558]
Traduction françaiseRien n' est pénible comme de perdre son enfant, et cependant quand on est piqué par un moustique on frappe de la main. [2.415 #952]
Interprétation françaiseLe chagrin doit parfois céder ; ce proverbe fait allusion au geste pour tuer le moustique. [2.415 #952]

Index