Index

Proverbes : henamaso

Proverbe 1Hena masaka no mahavelona fa ny henamaso mahafaty. [2.558 #1306]
Hena masaka no mahavelona, fa ny henamaso tsy mahavelona. [2.653 #1047]

Proverbe 2Henamaso ombalahy. [2.415 #6449]
Henamaso ombilahy. [2.165 #1126]
Ny henamaso ombalahy. [1.1]
Interprétation malgacheNy ombalahy dia voalaza ho masiaka sy manoto ka zary matahotra azy ny olona: enti-manala tsiny ny olona resin-kenamaso eo anoloan' ny mahery noho izy, na enti-milaza ny herin' ny henamaso eo amin' ny olombelona. [1.1]
Traduction françaiseLa fausse honte est (comme) un taureau. A cause de sa force, de son influence. [2.165 #1126]
La fausse honte est forte comme un taureau. [2.415 #6449]

Proverbe 3Lehibe mifanaiky, mifanaiky aman-kenatra, kely mifanaiky, mifanaiky aman-tahotra. [2.558 #118]
Lehibe no manaiky : asesiky ny henamaso, kely no manaiky : ampihorohoroin' ny tahotra. [2.558 #120]
Lehibe no manaiky : tsy fitia, fa henamaso ; kely no manaiky : tsy fitia, fa tahotra. [2.415 #774, 2.653 #1357]
Ny lehibe no manaiky : henatra, ny kely no manaiky : tahotra. [2.558 #3080]
Ny lehibe no manaiky, ny henatra ; ny kely no manaiky, ny tahotra. [2.165 #1386, 2.415 #663]
Traduction françaiseC' est la honte qui fait obéir les grands, et la peur qui fait obéir les petits. [2.415 #663]
Les grands cèdent à la honte, et les petits à la peur. [2.165]
Si les grands obéissent, c' est par honte et respect humain et non par affection ; et si les petits obéissent, c' est par crainte et non par affection. [2.415 #774]

Proverbe 4Ny fingadongadonao dia soa fa ny henamaso anao raha tonga no tsy tanty. [2.558 #2990]
Ny fingodongodonao dia soa, fa ny henamaso anao raha tonga no tsy afak. [2.165 #1769, 2.415 #3048]
Traduction françaiseLe bruit de tes pas est doux à mes oreilles, mais quand tu ne viens pas je suis honteuse. [2.415 #3048]
Le bruit de tes pas est doux, mais quand tu es là je ne puis m' empêcher d' être honteuse. [2.165]

Proverbe 5Ny henamaso tsy mahavelona, fa ny hena masaka no mahavelona. [2.653 #2264, 2.165, 2.415]
Ny henamaso tsy mahavoky, fa ny hena masaka no mahavoky. [2.415 #6317]
Traduction françaiseCe n' est pas le respect humain qui fait vivre et qui rassasie, mais la viande bien cuite. [2.415 #6317]
La fausse honte ne nourrit pas, mais bien la viande cuite. [2.165 #1119]
Interprétation françaiseCe proverbe repose sur un simple jeu de mots entre "henamaso" - fausse honte, et "hena masaka" - viande cuite. [2.165]
Jeu de mots sur henamaso respect humain, et hena masaka viande cuite. Se disait des gens qui s'exposaient par respect humain ; se disait aussi pour signifier que le travail est nécessaire pour vivre. [2.415 #6317]

Proverbe 6Sodokan' ny fitia sakaiza, ka ny havana indray no tsy nizarana henamaso. [2.558 #3914]

Proverbe 7Vavan’ alika feno taolana : tsy hanina hahavoky, fa henamaso ny be. [2.653 #3645]
Vavan' alika feno taolana : tsy hanin-kahavoky fa henamaso ny betsaka. [2.558 #4903]

Proverbe 8Zaza nahatapa-damosina, notrotroana nahafola-tsandry, nefa henamaso aza tsy nozarainy. [2.558 #5099]

Index