Index

Proverbes : fatambary

Proverbe 1Amboninjato niongana ve no mitsara adin' akoho, sa governora reraka no mikiraro fatambary ? [2.415 #2482]
Traduction françaiseEst-ce un centenier destitué pour qu' il juge un combat de coqs, ou un gouverneur ruiné pour qu' il mette à ses pieds une petite mesure de riz en guise de soulier? [2.415 #2482]
Interprétation françaiseSe disait des gens déchus et ruinés. [2.415 #2482]

Proverbe 2Anarany ihany hoatry ny fatambary fahavaratra. [2.415 #1607]
Anarany ihany, ohatra ny fatambary fahavaratra. [2.653]
Anarany ihany sahala amin' ny fantambary fararano. [2.558 #210]
Traduction françaiseIl n' y a que le nom, comme la mesure du riz en été. [2.415]
Interprétation françaiseSe disait des choses ou des gens qui devenaient inutiles, comme la mesure de riz quand il n' y a plus de riz. [2.415 #1607]

Proverbe 3Fatambary hariva ka tsy azon-tsampona intsony. [2.558 #1130]
Fatambary hariva, ka tsy azo sakanana intsony. [2.653 #940]
Tsy azon-tsampona sahala amin' ny fatambary hariva. [2.558 #4485]
Tsy azon-tsampona, toy ny fatambary hariva. [2.653 #3341]

Proverbe 4Izay tsy mahay sobiky dia mahay fatambary. [2.165 #1599]
Izay tsy mahay sobiky mahay fatambary. [2.653 #1205, 2.974 #13]
Traduction françaiseCelui qui ne sait pas faire une corbeille, peut tresser un petit panier. [2.165]
Si le sobiky vous dépasse, faites des fatambary. [2.974 #13]
Interprétation françaiseMême le plus incapable peut faire quelque chose. [2.165]

Proverbe 5Malahelo be fatambary : hanao be, izany no toa tsy mampanana, hanao kely toa maty fahavelona. [2.558 #1910]
Malahelo be fatambary hianao: hanao be, izany no tsy mampanana anao; hanao kely, toa maty fahavelona. [2.415 #2513, 2.653 #1446]
Traduction françaiseVous êtes pauvre et vous avez une grande mesure pour les rations de riz : si vous voulez prendre bonne mesure, on dit que c' est pour cela que vous ne possédez rien ; si vous voulez prendre petite mesure, on dit que vous êtes mort bien que vivant : vous aurez toujours tort. [2.415 #2513]

Proverbe 6Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra : ahafahana iray fatambary isan' andro, ka ho levona ihany no farany. [2.415 #2639, 2.653]
Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra : ahafahana isan' andro, ka levona ihany no farany. [2.558 #2848]
Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra: ka ahafahana iray fatambary isan-andro, dia ho levona ihany no farany. [2.165 #1019]
Traduction françaiseLa tristesse est comme la provision de riz dans le grenier : tous les jours on en enlève une petite mesure, et à la fin il n' en restera plus rien. [2.415 #2639]
Le chagrin est comme le riz dans le grenier: chaque jour il diminue d' une petite mesure, et à la fin il n' en reste plus. [2.165]
Interprétation françaiseLe temps est un grand maître. [2.165]
Le temps vient à bout des chagrins. [2.415 #2639]

Proverbe 7Raha indray mandeha no misambo-bary ka tsy mahazo, aza mandoro ny fatambary. [2.165 #966]
Raha indray mandeha no misambo-bary tsy mahazo, aza dorana ny fatambary. [2.558 #230]
Traduction françaisePour une fois que vous désirez emprunter du riz et qu' on ne vous en donne pas, n' allez pas brûler la petite corbeille. [2.165]
Interprétation françaiseIl ne faut pas se décourager trop vite! [2.165]

Proverbe 8Tsy mahay sobika dia mahay fatambary. [2.415 #867]
Traduction françaiseCeux qui ne peuvent pas faire de grandes mesures de riz peuvent en faire de petites. [2.415 #867]
Interprétation françaiseChacun doit faire ce qu'il peut et ainsi il est possible de se rendre service mutuellement. [2.415 #867]

Proverbe 9Vary indroan’ ny fatambary : ny iray ialemana, ary ny iray isakafoana. [2.653 #3617]
Vary indroan' ny fatambary : ny iray ielemana ary ny iray isakafoana. [2.558 #4874]
Vary indroan’ ny fatambary : ny iray isaka-foana, ny iray ialemana. [2.974 #236]
Vary roa tanty (indroan' ny fatambary); ny iray ialemana, ny iray isakafoana. [1.1]
Interprétation malgacheIlazana ny zavatra efa voakendry amin' izay iheverana azy avy. [1.1]
Traduction françaiseDeux mesures de riz : la première servira au repas, la seconde à s’assurer pour la nuit. [2.974 #236]

Proverbe 10Voninahitra an-tsobiky tsy atao am-patambary. [1.1]
Voninahitra omena ny sobika, fa ny fatambary ihany no handraofana. [2.415 #2269]
Voninahitra omena ny sobika, fa ny fatambary no tompon' ny fatra. [2.415 #2269]
Voninahitra omena ny sobiky, fa ny fatambary no azo handraofana ihany. [2.653]
Voninahitra omena ny sobiky fa ny fatambary no tompon' ny fatra. [2.558 #327, 2.653]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa ny haja sy zo tokony hipetraka eo amin' ny zava-dehibe dia tsy tokony haetry amin' ny zavatra madinika. [1.1]
Traduction françaiseLa corbeille est considérée avec respect mais c' est le fatambary ou petite mesure de riz qui est le maître de la mesure, c' est lui qui puise dans la corbeille à riz. [2.415 #2269]
Interprétation françaiseIl ne faut pas mépriser les petits car on a souvent besoin d' un plus petit que soi. [2.415 #2269]

Index