<-
->

1Pe / 1P 1:1 Peter, an apostle of Jesus Christ, to the strangers scattered throughout Pontus, Galatia, Cappadocia, Asia, and Bithynia, Petera, Apostolin' i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy Piera, Apostolin' i Jeso-Kristy, mamangy ny mpivahiny izay miely any Ponto, Galatia, Kapadosia, Asia ary Bitinia, dia ny olom-boafidy, Pierre, apôtre de Jésus Christ, aux étrangers de la Dispersion : du Pont, de Galatie, de Cappadoce, d' Asie et de Bithynie, élus
1Pe / 1P 1:2 Elect according to the foreknowledge of God the Father, through sanctification of the Spirit, unto obedience and sprinkling of the blood of Jesus Christ: Grace unto you, and peace, be multiplied. araka ny fahalalana rahateo, izay an' Andriamanitra Ray, amin' ny fanamasinan' ny Fanahy, ho amin' ny fanarahana sy ny famafazan' ny ran' i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. araka ny fahalalan' Andriamanitra Ray rahateo, tamin' ny fanamasinan' ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin' ny famafazana ny ran' i Jeso-Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie hianareo! selon la prescience de Dieu le Père, dans la sanctification de l' Esprit, pour obéir et être aspergés du sang de Jésus Christ. A vous grâce et paix en abondance.
1Pe / 1P 1:3 Blessed be the God and Father of our Lord Jesus Christ, which according to his abundant mercy hath begotten us again unto a lively hope by the resurrection of Jesus Christ from the dead, Isaorana anie Andriamanitra, Rain' i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben' ny famindram-pony ho amin' ny fanantenana velona tamin' ny nitsanganan' i Jesosy Kristy tamin' ny maty, Isaorana anie Andriamanitra, Rain' i Jeso-Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben' ny famindram-pony, noho ny fitsanganan' i Jeso-Kristy tamin' ny maty, ho amin' ny fanantenana velona, Béni soit le Dieu et Père de notre Seigneur Jésus Christ : dans sa grande miséricorde, il nous a engendrés de nouveau par la Résurrection de Jésus Christ d' entre les morts, pour une vivante espérance,
1Pe / 1P 1:4 To an inheritance incorruptible, and undefiled, and that fadeth not away, reserved in heaven for you, ho amin' ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra, pour un héritage exempt de corruption, de souillure, de flétrissure, et qui vous est réservé dans les cieux, à vous
1Pe / 1P 1:5 Who are kept by the power of God through faith unto salvation ready to be revealed in the last time. izay arovan' ny herin' Andriamanitra amin' ny finoana ho amin' ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. dia anareo izay arovan' ny herin' Andriamanitra amin' ny finoana ho amin' ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin' ny andro farany. que, par la foi, la puissance de Dieu garde pour le salut prêt à se manifester au dernier moment.
1Pe / 1P 1:6 Wherein ye greatly rejoice, though now for a season, if need be, ye are in heaviness through manifold temptations: Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin' ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, Ny fiheverana an' izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy hampahorin' ny fitsapana samihafa vetivety ihany hianareo, Vous en tressaillez de joie, bien qu' il vous faille encore quelque temps être affligés par diverses épreuves,
1Pe / 1P 1:7 That the trial of your faith, being much more precious than of gold that perisheth, though it be tried with fire, might be found unto praise and honour and glory at the appearing of Jesus Christ: mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin' ny afo aza), dia amin' ny hisehoan' i Jesosy Kristy; ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin' ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin' ny andro hisehoan' i Jeso-Kristy. afin que, bien éprouvée, votre foi, plus précieuse que l' or périssable que l' on vérifie par le feu, devienne un sujet de louange, de gloire et d' honneur, lors de la Révélation de Jésus Christ.
1Pe / 1P 1:8 Whom having not seen, ye love; in whom, though now ye see him not, yet believing, ye rejoice with joy unspeakable and full of glory: Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin' ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, Tia azy hianareo, na dia mbola tsy nahita azy na oviana na oviana aza; mino azy hianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina azy; izany no iontanan' ny fonareo amin' ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra, Sans l' avoir vu vous l' aimez ; sans le voir encore, mais en croyant, vous tressaillez d' une joie indicible et pleine de gloire,
1Pe / 1P 1:9 Receiving the end of your faith, even the salvation of your souls. mandray ny anton' ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy. sady matoky hianareo fa hahazo ny antenain' ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. sûrs d' obtenir l' objet de votre foi : le salut des âmes.
1Pe / 1P 1:10 Of which salvation the prophets have enquired and searched diligently, who prophesied of the grace that should come unto you: Ny amin' izany famonjena izany dia notadiavin' ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo; Izany famonjena izany no zavatra nokatsahiny sy nokarohin' ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo. Sur ce salut ont porté les investigations et les recherches des prophètes, qui ont prophétisé sur la grâce à vous destinée.
1Pe / 1P 1:11 Searching what, or what manner of time the Spirit of Christ which was in them did signify, when it testified beforehand the sufferings of Christ, and the glory that should follow. eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin' ny Fanahin' i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian' i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. Nohadihadin' izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran' ny Fanahin' ny Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjo ny Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. Ils ont cherché à découvrir quel temps et quelles circonstances avait en vue l' Esprit du Christ, qui était en eux, quand il attestait à l' avance les souffrances du Christ et les gloires qui les suivraient.
1Pe / 1P 1:12 Unto whom it was revealed, that not unto themselves, but unto us they did minister the things, which are now reported unto you by them that have preached the gospel unto you with the Holy Ghost sent down from heaven; which things the angels desire to look into. Ary naseho tamin' ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin' izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin' ny tenin' ireo nitory ny filazantsara taminareo amin' ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian' ny anjely hodinihina. Ary nambara tamin' izy ireo fa izany no nomena horaharahainy dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin' ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin' ny Anjely hojerena. Il leur fut révélé que ce n'était pas pour eux-mêmes, mais pour vous, qu' ils administraient ce message, que maintenant vous annoncent ceux qui vous prêchent l'Évangile, dans l' Esprit Saint envoyé du ciel, et sur lequel les anges se penchent avec convoitise.
1Pe / 1P 1:13 Wherefore gird up the loins of your mind, be sober, and hope to the end for the grace that is to be brought unto you at the revelation of Jesus Christ; Koa amin' izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin' ny hisehoan' i Jesosy Kristy; Koa amin' izany, sikino ny valaham-panahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin' ny hisehoan' i Jeso-Kristy no halehan' ny fanantenanareo rehetra. L' intelligence en éveil, soyez sobres et espérez pleinement en la grâce qui doit vous être apportée par la révélation de Jésus Christ.
1Pe / 1P 1:14 As obedient children, not fashioning yourselves according to the former lusts in your ignorance: tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin' ny tsi-fahalalanareo; Aoka ho zanaka manaiky hianareo, ka tsy hanaraka ny filan-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin' ny andron' ny tsy fahalalanareo; En enfants obéissants, ne vous laissez pas modeler par vos passions de jadis, du temps de votre ignorance.
1Pe / 1P 1:15 But as he which hath called you is holy, so be ye holy in all manner of conversation; fa araka ny fahamasinan' ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin' ny fitondran-tena rehetra, fa araka ny fahamasinan' ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin' ny fitondran-tenanareo rehetra, Mais, à l' exemple du Saint qui vous a appelés, devenez saints, vous aussi, dans toute votre conduite,
1Pe / 1P 1:16 Because it is written, Be ye holy; for I am holy. satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44). araky ny voasoratra hoe: Aoka ho masina hianareo, satria masina aho. selon qu' il est écrit : Vous serez saints, parce que moi, je suis saint.
1Pe / 1P 1:17 And if ye call on the Father, who without respect of persons judgeth according to every man' s work, pass the time of your sojourning here in fear: Ary raha Ilay tsy mizaha tavan' olona, fa mitsara araka ny asan' izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin' ny fahatahorana mandritra ny andron' ny fivahinianareo etý ; Ary raha ilay tsy mizaha tavan' olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy no antsoinareo hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana hianareo, mandritra ny andron' ny fivahinianareo ety Et si vous appelez Père celui qui, sans acception de personnes, juge chacun selon ses oeuvres, conduisez-vous avec crainte pendant le temps de votre exil.
1Pe / 1P 1:18 Forasmuch as ye know that ye were not redeemed with corruptible things, as silver and gold, from your vain conversation received by tradition from your fathers; fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin' ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin' ny nentin-drazana, satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin' ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, Sachez que ce n' est par rien de corruptible, argent ou or, que vous avez été affranchis de la vaine conduite héritée de vos pères,
1Pe / 1P 1:19 But with the precious blood of Christ, as of a lamb without blemish and without spot: fa ny rà soan' i Kristy, toy ny ran' ny zanak' ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; fa ny ra sarobidin' ny Kristy, ilay zanak' ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, mais par un sang précieux, comme d' un agneau sans reproche et sans tache, le Christ,
1Pe / 1P 1:20 Who verily was foreordained before the foundation of the world, but was manifest in these last times for you, Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan' izao tontolo izao, fa efa naseho tamin' izao andro farany izao noho ny aminareo dia ilay talohan' ny nahariana an' izao tontolo izao no efa voatendry, fa tamin' izao andro farany izao no vao naseho, noho ny aminareo. discerné avant la fondation du monde et manifesté dans les derniers temps à cause de vous.
1Pe / 1P 1:21 Who by him do believe in God, that raised him up from the dead, and gave him glory; that your faith and hope might be in God. Izay mino an' Andriamanitra amin' ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin' ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan' ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin' Andriamanitra. Tamin' ny alalany no nahazoanareo finoana an' Andriamanitra, izay nanangana azy tamin' ny maty, sy nanome voninahitra azy, ka zary fanantenana an' Andriamanitra koa ny finoanareo. Par lui vous croyez en Dieu, qui l' a fait ressusciter d' entre les morts et lui a donné la gloire, si bien que votre foi soit en Dieu comme votre espérance.
1Pe / 1P 1:22 Seeing ye have purified your souls in obeying the truth through the Spirit unto unfeigned love of the brethren, see that ye love one another with a pure heart fervently: Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin' ny fanarahana ny fahamarinana ho amin' ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin' ny fo; Noho hianareo efa nandio ny fonareo tamin' ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin' izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy, dia mifankatiava fatratra amin' ny fo tokoa; En obéissant à la vérité, vous avez sanctifié vos âmes, pour vous aimer sincèrement comme des frères. D' un coeur pur, aimez-vous les uns les autres sans défaillance,
1Pe / 1P 1:23 Being born again, not of corruptible seed, but of incorruptible, by the word of God, which liveth and abideth for ever. fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin' ny voa mety ho lò, fa tamin' ny tsy mety ho lò, dia ny tenin' Andriamanitra, izay velona sady maharitra. fa efa nateraka indray hianareo, tsy tamin' ny voa mety lò, fa amin' ny voa tsy mety lò, dia ny tenin' Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay. engendrés de nouveau d' une semence non point corruptible, mais incorruptible : la Parole de Dieu, vivante et permanente.
1Pe / 1P 1:24 For all flesh is as grass, and all the glory of man as the flower of grass. The grass withereth, and the flower thereof falleth away: Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin' ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin' ny ahitra: nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny; Car toute chair est comme l' herbe et toute sa gloire comme fleur d' herbe ; l' herbe se dessèche et sa fleur tombe ;
1Pe / 1P 1:25 But the word of the Lord endureth for ever. And this is the word which by the gospel is preached unto you. Fa ny tenin' ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin' ny filazantsara izay notorina taminareo. fa ny tenin' Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin' ny Evanjely izay notorina taminareo. mais la Parole du Seigneur demeure pour l'éternité. C' est cette Parole dont la Bonne Nouvelle vous a été portée.

<-
->