<-
->

Efe / Ef 1:1 Paul, an apostle of Jesus Christ by the will of God, to the saints which are at Ephesus, and to the faithful in Christ Jesus: Paoly, Apostolin' i Kristy Jesosy noho ny sitrapon' Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin' i Kristy Jesosy: Paoly, Apostolin' i Jeso-Kristy, noho ny sitra-pon' Andriamanitra, dia mamangy ny olona masina (any Efezy), mbamin' ny mpino ao amin' ny Kristy Jeso: Paul, apôtre du Christ Jésus, par la volonté de Dieu, aux saints et fidèles dans le Christ Jésus.
Efe / Ef 1:2 Grace be to you, and peace, from God our Father, and from the Lord Jesus Christ. ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin' Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin' Andriamanitra Raintsika sy Jeso-Kristy Tompo. A vous grâce et paix de par Dieu notre Père et le Seigneur Jésus Christ.
Efe / Ef 1:3 Blessed be the God and Father of our Lord Jesus Christ, who hath blessed us with all spiritual blessings in heavenly places in Christ: Isaorana anie Andriamanitra, Rain' i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin' i Kristy amin' ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, Isaorana anie Andriamanitra, Rain' i Jeso-Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin' ny Kristy, amin' ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra, Béni soit le Dieu et Père de notre Seigneur Jésus Christ, qui nous a bénis par toutes sortes de bénédictions spirituelles, aux cieux, dans le Christ.
Efe / Ef 1:4 According as he hath chosen us in him before the foundation of the world, that we should be holy and without blame before him in love: araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan' izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, sy nifidy antsika tao aminy talohan' ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, C' est ainsi qu' Il nous a élus en lui, dès avant la fondation du monde, pour être saints et immaculés en sa présence, dans l' amour,
Efe / Ef 1:5 Having predestinated us unto the adoption of children by Jesus Christ to himself, according to the good pleasure of his will, rehefa notendreny rahateo amin' ny fitiavana isika mba ho Azy amin' ny fananganan' anaka amin' ny alalan' i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan' ny fony, ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin' ny alalan' i Jeso-Kristy isika; déterminant d' avance que nous serions pour Lui des fils adoptifs par Jésus Christ. Tel fut le bon plaisir de sa volonté,
Efe / Ef 1:6 To the praise of the glory of his grace, wherein he hath made us accepted in the beloved. ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin' ny Malala. nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin' ilay malalany. à la louange de gloire de sa grâce, dont Il nous a gratifiés dans le Bien-aimé.
Efe / Ef 1:7 In whom we have redemption through his blood, the forgiveness of sins, according to the riches of his grace; Izy no ananantsika fanavotana amin' ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren' ny fahasoavany, Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin' ny rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben' ny fahasoavany, En lui nous trouvons la rédemption, par son sang, la rémission des fautes, selon la richesse de sa grâce,
Efe / Ef 1:8 Wherein he hath abounded toward us in all wisdom and prudence; izay nataony be ho antsika tamin' ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, izay nomen' Andriamanitra be dia be ho antsika tamin' ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, qu' Il nous a prodiguée, en toute sagesse et intelligence :
Efe / Ef 1:9 Having made known unto us the mystery of his will, according to his good pleasure which he hath purposed in himself: rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin' ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain' ny tenany, fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin' ny safidim-pony, izay nofidin' ny hatsaram-pony hotanterahiny, Il nous a fait connaître le mystère de sa volonté, ce dessein bienveillant qu' Il avait formé en lui par avance,
Efe / Ef 1:10 That in the dispensation of the fulness of times he might gather together in one all things in Christ, both which are in heaven, and which are on earth; even in him: hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin' i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, dia ho ao aminy; rahefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin' ny Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany. pour le réaliser quand les temps seraient accomplis : ramener toutes choses sous un seul Chef, le Christ, les êtres célestes comme les terrestres.
Efe / Ef 1:11 In whom also we have obtained an inheritance, being predestinated according to the purpose of him who worketh all things after the counsel of his own will: ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan' izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan' ny fony, Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan' ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny fony, C' est en lui encore que nous avons été mis à part, désignés d' avance, selon le plan préétabli de Celui qui mène toutes choses au gré de sa volonté,
Efe / Ef 1:12 That we should be to the praise of his glory, who first trusted in Christ. mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an' i Kristy rahateo. mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena ny Kristy rahateo. pour être, à la louange de sa gloire, ceux qui ont par avance espéré dans le Christ.
Efe / Ef 1:13 In whom ye also trusted, after that ye heard the word of truth, the gospel of your salvation: in whom also after that ye believed, ye were sealed with that holy Spirit of promise, Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin' ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin' ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. Tao aminy hianareo no nino, rahefa nahare ny tenin' ny fahamarinana, ny Evanjelin' ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen' ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina, C' est en lui que vous aussi, après avoir entendu la Parole de vérité, l'Évangile de votre salut, et y avoir cru, vous avez été marqués d' un sceau par l' Esprit de la Promesse, cet Esprit Saint
Efe / Ef 1:14 Which is the earnest of our inheritance until the redemption of the purchased possession, unto the praise of his glory. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin' ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an' ny tenany, ho fiderana ny voninahiny. sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an' izay rehetra nofidin' Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny. qui constitue les arrhes de notre héritage, et prépare la rédemption du Peuple que Dieu s' est acquis, pour la louange de sa gloire.
Efe / Ef 1:15 Wherefore I also, after I heard of your faith in the Lord Jesus, and love unto all the saints, Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an' i Jesosy Tompo izay hitan' ny olona masina rehetra, Noho izany, nony reko ny finoanareo an' i Jeso-Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, C' est pourquoi moi-même, ayant appris votre foi dans le Seigneur Jésus et votre charité à l'égard de tous les saints,
Efe / Ef 1:16 Cease not to give thanks for you, making mention of you in my prayers; dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin' ny fivavahako, dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin' ny fivavahako, je ne cesse de rendre grâces à votre sujet et de faire mémoire de vous dans mes prières.
Efe / Ef 1:17 That the God of our Lord Jesus Christ, the Father of glory, may give unto you the spirit of wisdom and revelation in the knowledge of him: mba homen' Andriamanitr' i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain' ny voninahitra, ho anareo ny fanahin' ny fahendrena sy ny fanambarana amin' ny fahalalana Azy tsara, mba homen' ny Rain' ny voninahitra, Andriamanitr' i Jeso-Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahin' ny fahendrena amam-panambarana hahalalana azy tsara; Daigne le Dieu de notre Seigneur Jésus Christ, le Père de la gloire, vous donner un esprit de sagesse et de révélation, qui vous le fasse vraiment connaître !
Efe / Ef 1:18 The eyes of your understanding being enlightened; that ye may know what is the hope of his calling, and what the riches of the glory of his inheritance in the saints, ary mba hampahiratina ny mason' ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin' ny fiantsoany sy izay haren' ny voninahitry ny lovany eo amin' ny olona masina, ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben' ny voninahitry ny lova nomaniny ho an' ny olo-masina, Puisse-t-il illuminer les yeux de votre coeur pour vous faire voir quelle espérance vous ouvre son appel, quels trésors de gloire renferme son héritage parmi les saints,
Efe / Ef 1:19 And what is the exceeding greatness of his power to us-ward who believe, according to the working of his mighty power, ary ny fihoaran' ny halehiben' ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan' ny herin' ny faherezany, ary ny halehiben' ny fahefany mihoa-pampana ho an' izay mino, hita amin' ny fiàsan' ny heriny tsitoha. et quelle extraordinaire grandeur sa puissance revêt pour nous, les croyants, selon la vigueur de sa force,
Efe / Ef 1:20 Which he wrought in Christ, when he raised him from the dead, and set him at his own right hand in the heavenly places, izay nataony tao amin' i Kristy tamin' ny nananganany Azy tamin' ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin' ny tànany ankavanana any an-danitra, Naharihariny tao amin' ny Kristy izany heriny izany, tamin' ny nananganany azy tamin' ny maty, sy nametrahany azy teo an-kavanany any an-danitra, qu' il a déployée en la personne du Christ, le ressuscitant d' entre les morts et le faisant siéger à sa droite, dans les cieux,
Efe / Ef 1:21 Far above all principality, and power, and might, and dominion, and every name that is named, not only in this world, but also in that which is to come: ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin' izao fiainana izao ihany, fa amin' ny ho avy koa, ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin' izao fiainana izao ihany, fa amin' ny fiainana ho avy koa, bien au-dessus de toute Principauté, Puissance, Vertu, Seigneurie, et de tout autre nom qui se pourra nommer, non seulement dans ce siècle-ci, mais encore dans le siècle à venir.
Efe / Ef 1:22 And hath put all things under his feet, and gave him to be the head over all things to the church, dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin' ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an' ny fiangonana, fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony filohany ambony indrindra izy amin' ny Eglizy, Il a tout mis sous ses pieds, et l' a constitué, au sommet de tout, Tête pour l'Église,
Efe / Ef 1:23 Which is his body, the fulness of him that filleth all in all. izay tenany, dia ny fahafenoan' izay mameno izao zavatra rehetra izao amin' ny rehetra. izay tenany, famenon' izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin' ny rantsam-batany rehetra. laquelle est son Corps, la Plénitude de Celui qui est rempli, tout en tout.

<-
->