<-
->

Dan / Da 1:1 In the third year of the reign of Jehoiakim king of Judah came Nebuchadnezzar king of Babylon unto Jerusalem, and besieged it. Tamin' ny taona fahatelo nanjakan' i Joiakima, mpanjakan' ny Joda, no nankanesan' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy. Tamin' ny taona fahatelo nanjakan' i Joakima, mpanjakan' i Jodà, tonga Nabokodonozora mpanjakan' i Babilona hamely an' i Jerosalema, ka nanao fahirano azy. En l' an trois du règne de Joiaqim, roi de Juda, Nabuchodonosor, roi de Babylone, s' en vint à Jérusalem et l' investit.
Dan / Da 1:2 And the Lord gave Jehoiakim king of Judah into his hand, with part of the vessels of the house of God: which he carried into the land of Shinar to the house of his god; and he brought the vessels into the treasure house of his god. Ary ny Tompo nanolotra an' i Joiakima, mpanjakan' ny Joda, mbamin' ny fanaka sasany tao an-tranon' Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin' ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon' andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin' ny trano firaketan' andriamaniny. Natolotry ny Tompo, ho an-tànany, Joakima, mpanjakan' i Jodà, mbamin' ny fanaka sasany tao an-tranon' Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin' ny tany Sennaara, ao amin' ny tranon' ny andriamaniny, sady napetrany tao amin' ny firaketan' andriamaniny ny fanaka. Le Seigneur livra entre ses mains Joiaqim, roi de Juda, ainsi qu' une partie des objets du Temple de Dieu. Il les emmena au pays de Shinéar et déposa les objets dans le trésor de ses dieux.
Dan / Da 1:3 And the king spake unto Ashpenaz the master of his eunuchs, that he should bring certain of the children of Israel, and of the king' s seed, and of the princes; Ary ny mpanjaka nandidy an' i Aspenaza, lehiben' ny tandapany, hitondra ny sasany amin' ny Zanak' Isiraely, dia amin' ny zanak' andriana na amin' ny ambony firazanana, Nanome teny an' i Asfeneza, lehiben' ny eonokany, ny mpanjaka, hitondra ny sasantsasany amin' ny zanak' Israely izay isan' ny taranak' andriana, na izay avo razana, Le roi dit à Ashpenaz, chef de ses eunuques, de prendre d' entre les gens d' Israël quelques enfants de race royale ou de grande famille
Dan / Da 1:4 Children in whom was no blemish, but well favoured, and skilful in all wisdom, and cunning in knowledge, and understanding science, and such as had ability in them to stand in the king' s palace, and whom they might teach the learning and the tongue of the Chaldeans. dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin' ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan' ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin' ny Kaldeana. ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany, nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara, hitoetra ao an-dapan' ny mpanjaka, sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeana. ils devaient être sans tare, de belle apparence, instruits en toute sagesse, savants en science et subtils en savoir, aptes à se tenir à la cour du roi; Ashpenaz leur enseignerait les lettres et la langue des Chaldéens.
Dan / Da 1:5 And the king appointed them a daily provision of the king' s meat, and of the wine which he drank: so nourishing them three years, that at the end thereof they might stand before the king. Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an' ireo isan' andro avy tamin' ny haniny sy avy tamin' ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan' ny mpanjaka izy. Natokan' ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan' andro, amin' ny hanin' ny mpanjaka sy ny divay fisotrony, mba hitoerany eo anatrehan' ny mpanjaka, rahefa nobeazina telo taona izy ireo. Le roi leur assignait une portion journalière des mets du roi et du vin de sa table. Ils seraient éduqués pendant trois ans; après quoi, ils auraient à se tenir devant le roi.
Dan / Da 1:6 Now among these were of the children of Judah, Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah: Ary tamin' ireo dia nisy avy amin' ny taranak' i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria. Anisan' ireo: Daniely, Ananiasa, Misaely ary Azariasa, avy amin' ny taranak' i Jodà. Parmi eux se trouvaient Daniel, Ananias, Misaèl et Azarias, qui étaient des Judéens.
Dan / Da 1:7 Unto whom the prince of the eunuchs gave names: for he gave unto Daniel the name of Belteshazzar; and to Hananiah, of Shadrach; and to Mishael, of Meshach; and to Azariah, of Abednego. Ary izy ireo nomen' ny lehiben' ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego. Nomen' ny lehiben' ny eonoka anarana izy ireo: ka Daniely nataony hoe Baltasara, Ananiasa nataony hoe Sidraka, Misaely nataony hoe Misaka, ary Azariasa nataony hoe Abdenegao. Le chef des eunuques leur imposa des noms : Daniel s' appellerait Baltassar, Ananias Shadrak, Misaèl Méshak, et Azarias Abed-Nego.
Dan / Da 1:8 But Daniel purposed in his heart that he would not defile himself with the portion of the king' s meat, nor with the wine which he drank: therefore he requested of the prince of the eunuchs that he might not defile himself. Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin' ny anjara-hanina avy tamin' ny hanin' ny mpanjaka, na tamin' ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin' ny lehiben' ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany. Ary tapakevitra tao am-pony Daniely fa tsy handoto tena amin' ny hanim-pihinan' ny mpanjaka sy ny divay fisotrony: ka nangataka tamin' ny lehiben' ny eonoka izy mba tsy hanery azy handoto tena. Daniel, ayant à coeur de ne pas se souiller en prenant part aux mets du roi et au vin de sa table, supplia le chef des eunuques de lui épargner cette souillure.
Dan / Da 1:9 Now God had brought Daniel into favour and tender love with the prince of the eunuchs. Dia nataon' Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin' ilay lehiben' ny tandapa Daniela. Ary nataon' Andriamanitra nahita fitia tamin' ny lehiben' ny eonoka Daniely. Dieu accorda à Daniel de trouver auprès du chef des eunuques grâce et miséricorde.
Dan / Da 1:10 And the prince of the eunuchs said unto Daniel, I fear my lord the king, who hath appointed your meat and your drink: for why should he see your faces worse liking than the children which are of your sort? then shall ye make me endanger my head to the king. Ary hoy ilay lehiben' ny tandapa tamin' i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an' ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin' ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako? Hoy ny lehiben' ny eonoka tamin' i Daniely: Matahotra ny mpanjaka tompoko, aho, fa tenany no nandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo; fa ahoana moa izy no hahita ny tarehanareo mahia noho ny an' ireo zatovo mitovy taona aminareo? Hanao izay hanapahan' ny mpanjaka ny lohako hianareo izany. Mais le chef des eunuques dit à Daniel : "Je redoute Monseigneur le roi; il vous a assigné chère et boisson et, s' il vous voit le visage émacié plus que les enfants de votre âge, c' est moi qui, à cause de vous, serai coupable aux yeux du roi."
Dan / Da 1:11 Then said Daniel to Melzar, whom the prince of the eunuchs had set over Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah, Dia hoy Daniela tamin' ny mpiadidy, izay notendren' ny lehiben' ny tandapa ho mpiadidy an' i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria: Dia hoy Daniely tamin' ny mpikarakara sakafo notendren' ny lehiben' ny eonoka hikarakara an' i Daniely, Ananiasa, Misaely, sy Azariasa: Daniel dit alors au garde que le chef des eunuques avait assigné à Daniel, Ananias, Misaèl et Azarias
Dan / Da 1:12 Prove thy servants, I beseech thee, ten days; and let them give us pulse to eat, and water to drink. Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay. Masìna hianao, manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanompoanao: hanin-kotrana ho hanina sy rano hosotroina ihany omena anay. "Je t' en prie, mets tes serviteurs à l'épreuve pendant dix jours : qu' on nous donne des légumes à manger et de l' eau à boire.
Dan / Da 1:13 Then let our countenances be looked upon before thee, and the countenance of the children that eat of the portion of the king' s meat: and as thou seest, deal with thy servants. Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin' ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin' ny hanin' ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin' ny mpanomponao. Ka rahefa afaka izany, samy hojerenao ny tarehanay sy ny an' ireo zatovo mihinana amin' ny hanin' ny mpanjaka, dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao. Tu verras notre mine et la mine des enfants qui mangent des mets du roi, et tu feras de tes serviteurs selon ce que tu auras vu."
Dan / Da 1:14 So he consented to them in this matter, and proved them ten days. Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana. Nekeny ny hatak' izy ireo, ka nizaha toetra azy izy hafoloana. Il consentit à ce qu' ils lui demandaient et les mit à l'épreuve pendant dix jours.
Dan / Da 1:15 And at the end of ten days their countenances appeared fairer and fatter in flesh than all the children which did eat the portion of the king' s meat. Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an' ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin' ny hanin' ny mpanjaka. Nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra nihinana tamin' ny hanin' ny mpanjaka. Au bout de dix jours, ils avaient bonne mine et ils avaient grossi plus que tous les enfants qui mangeaient des mets du roi.
Dan / Da 1:16 Thus Melzar took away the portion of their meat, and the wine that they should drink; and gave them pulse. Dia najanon' ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy. Ka dia nentin' ilay mpikarakara sakafo ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny, fa hanin-kotrana no nomeny azy. Dès lors, le garde supprima leurs mets et la portion de vin qu' ils avaient à boire et leur donna des légumes.
Dan / Da 1:17 As for these four children, God gave them knowledge and skill in all learning and wisdom: and Daniel had understanding in all visions and dreams. Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen' Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin' ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin' ny fahitana sy ny nofy rehetra. Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy, samy nomen' Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra; ary Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra. A ces quatre enfants Dieu donna savoir et instruction en matière de lettres et en sagesse. Daniel, lui, possédait le discernement des visions et des songes.
Dan / Da 1:18 Now at the end of the days that the king had said he should bring them in, then the prince of the eunuchs brought them in before Nebuchadnezzar. Ary nony tonga ny andro nasain' ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin' ilay lehiben' ny tandapa niditra teo anatrehan' i Nebokadnezara izy. Nony tonga ny fotoana voatendrin' ny mpanjaka hampidirana azy rehetra, dia nentin' ny lehiben' ny eonoka ho eo anatrehan' i Nabokodonozora izy ireo. Au terme fixé par le roi pour qu' on les lui amenât, le chef des eunuques les conduisit devant Nabuchodonosor.
Dan / Da 1:19 And the king communed with them; and among them all was found none like Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah: therefore stood they before the king. Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an' i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin' izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan' ny mpanjaka izy ireo. Niresaka tamin' izy rehetra ny mpanjaka, ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an' i Daniely, Ananiasa, Misaely ary Azariasa, ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo. Le roi s' entretint avec eux, et dans le nombre il ne s' en trouva pas tels que Daniel, Ananias, Misaèl et Azarias. Ils se tinrent donc devant le roi
Dan / Da 1:20 And in all matters of wisdom and understanding, that the king enquired of them, he found them ten times better than all the magicians and astrologers that were in all his realm. Ary ny amin' ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian' ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin' ny fanjakany rehetra aza izy. Tamin' ny zavatra rehetra ilam-pahalalana, nanontanian' ny mpanjaka azy ireo, dia hitany fa nanatombo impolo heny noho ny an' ny mpahay taratasy amam-pisikidy rehetra, teo amin' ny fanjakany manontolo, ny fahambonian' izy ireo. et, sur quelque point de sagesse ou de prudence qu' il les interrogeât, le roi les trouvait dix fois supérieurs à tous les magiciens et devins de son royaume tout entier.
Dan / Da 1:21 And Daniel continued even unto the first year of king Cyrus. Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan' i Kyrosy mpanjaka. Toy izany Daniely hatramin' ny taona voalohany nanjakan' i Sirosy. Daniel demeura là jusqu' en l' an un du roi Cyrus.

<-
->