<-
->

Rot Rt 1:1 Now it came to pass in the days when the judges ruled, that there was a famine in the land. And a certain man of Bethlehemjudah went to sojourn in the country of Moab, he, and his wife, and his two sons. Ary tamin' ny andro nitsaran' ny mpitsara dia nisy mosary teo amin' ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin' ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin' ny zanany roa lahy; Tamin' ny andro nanapahan' ny mpitsara dia nisy mosary teo amin' ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin' ny tanin' i Moaba, niaraka tamin' ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Au temps où gouvernaient les Juges, une famine survint dans le pays et un homme de Bethléem de Juda s' en alla avec sa femme et ses deux fils pour séjourner dans les Champs de Moab.
Rot Rt 1:2 And the name of the man was Elimelech, and the name of his wife Naomi, and the name of his two sons Mahlon and Chilion, Ephrathites of Bethlehemjudah. And they came into the country of Moab, and continued there. Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran' ny vadiny, ary ny anaran' ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin' ny tany Moaba izy ka nitoetra tany. Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Noemì no anaran' ny vadiny, ary Mahalòna sy Seljòna no anaran' ny zanany roa lahy. Efrateana avy any Betleema any Jodà izy ireo, ary nankany amin' ny tanin' i Moaba sy nonina tany. Cet homme s' appelait Élimélek, sa femme Noémi, et ses deux fils Mahlôn et Kilyôn; ils étaient Éphratéens, de Bethléem de Juda. Arrivés dans les Champs de Moab, ils s' y établirent.
Rot Rt 1:3 And Elimelech Naomi' s husband died; and she was left, and her two sons. Ary maty Elimeleka, vadin' i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa. Ary maty Elimeleka vadin' i Noemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy. Élimélek, le mari de Noémi, mourut, et elle lui survécut avec ses deux fils.
Rot Rt 1:4 And they took them wives of the women of Moab; the name of the one was Orpah, and the name of the other Ruth: and they dwelled there about ten years. Ary naka vady tamin' ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran' ny anankiray, ary Rota no anaran' ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy. Naka vady tamin' ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo. Ils prirent pour femmes des Moabites, l' une se nommait Orpa et l' autre Ruth. Ils demeurèrent là une dizaine d' années.
Rot Rt 1:5 And Mahlon and Chilion died also both of them; and the woman was left of her two sons and her husband. Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy. Fa maty daholo koa izy roa lahy dia Mahalòna sy Seljòna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny. Puis Mahlôn et Kilyôn moururent, tous deux aussi, et Noémi resta seule, privée de ses deux fils et de son mari.
Rot Rt 1:6 Then she arose with her daughters in law, that she might return from the country of Moab: for she had heard in the country of Moab how that the Lord had visited his people in giving them bread. Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin' ny tany Moaba; fa efa reny tany amin' ny tany Moaba fa novangian' i Jehovah ny olony ka nomeny hanina. Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin' ny tanin' i Moaba, satria reny tany amin' ny tanin' i Moaba fa efa novangian' ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina. Alors, avec ses brus, elle se disposa à revenir des Champs de Moab, car elle avait appris dans les Champs de Moab que Dieu avait visité son peuple pour lui donner du pain.
Rot Rt 1:7 Wherefore she went forth out of the place where she was, and her two daughters in law with her; and they went on the way to return unto the land of Judah. Dia niala tamin' izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin' ny tanin' ny Joda. Niala teo amin' ny tany nonenany izy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin' ny tanin' i Jodà. Elle quitta donc avec ses brus le lieu où elle avait demeuré et elles se mirent en chemin pour retourner au pays de Juda.
Rot Rt 1:8 And Naomi said unto her two daughters in law, Go, return each to her mother' s house: the Lord deal kindly with you, as ye have dealt with the dead, and with me. Ary hoy Naomy tamin' ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin' ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin' i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin' ny maty sy tamiko koa. Ary hoy Noemì tamin' ireto vinantony roa vavy: Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy hianareo. Enga anie ka hanao soa aminareo Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin' ireo maty sy tamiko koa. Noémi dit à ses deux brus : " Partez donc et retournez chacune à la maison de votre mère. Que Yahvé use de bienveillance envers vous comme vous en avez usé envers ceux qui sont morts et envers moi-même!
Rot Rt 1:9 The Lord grant you that ye may find rest, each of you in the house of her husband. Then she kissed them; and they lifted up their voice, and wept. Homen' i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin' izay tranon' ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany. Samy hampahitan' ny Tompo fiadanana anie any hianareo, any amin' ny tranon' izay ho vadinareo. Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany. Que Yahvé accorde à chacune de vous de trouver une vie paisible dans la maison d' un mari! " Elle les embrassa, mais elles se mirent à crier et à pleurer,
Rot Rt 1:10 And they said unto her, Surely we will return with thee unto thy people. Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin' ny firenenao. Ary hoy izy taminy hoe: Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin' ny firenenao izahay. et elles dirent : " Non! Nous reviendrons avec toi vers ton peuple. " -
Rot Rt 1:11 And Naomi said, Turn again, my daughters: why will ye go with me? are there yet any more sons in my womb, that they may be your husbands? Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo? Fa hoy Noemì: Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko? " Retournez, mes filles, répondit Noémi, pourquoi viendriez-vous avec moi ? Ai-je encore dans mon sein des fils qui puissent devenir vos maris ?
Rot Rt 1:12 Turn again, my daughters, go your way; for I am too old to have an husband. If I should say, I have hope, if I should have an husband also to night, and should also bear sons; Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy, Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho, ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aza aho fa manantena ihany, na dia hanambady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza, Retournez, mes filles, allez-vous-en, car je suis bien trop vieille pour me marier! Et quand bien même je dirais : "Il y a encore pour moi de l' espoir, cette nuit même je vais appartenir à mon mari et j' aurai des fils",
Rot Rt 1:13 Would ye tarry for them till they were grown? would ye stay for them from having husbands? nay, my daughters; for it grieveth me much for your sakes that the hand of the Lord is gone out against me. moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan' i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy. moa hahandry mandra-pahalehiben' izany va hianareo? Moa hahajanona tsy hanambady fanindroany noho izany? Tsia, anaka. Noho hianareo dia mangidy amiko indrindra ny namelezan' ny tànan' ny Tompo ahy. attendriez-vous qu' ils soient devenus grands ? Renonceriez-vous à vous marier ? Non mes filles! Je suis pleine d' amertume à votre sujet, car la main de Yahvé s' est levée contre moi. "
Rot Rt 1:14 And they lifted up their voice, and wept again: and Orpah kissed her mother in law; but Ruth clave unto her. Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany. Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary Orpà nanoroka ny rafozany, fa Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy. Elles recommencèrent à crier et à pleurer, puis Orpa embrassa sa belle-mère et retourna vers son peuple, mais Ruth lui resta attachée.
Rot Rt 1:15 And she said, Behold, thy sister in law is gone back unto her people, and unto her gods: return thou after thy sister in law. Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin' ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao. Ka hoy Noemì: Nody ho any amin' ny fireneny sy ny andriamaniny iry ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin' ny zaobavinao koa. Noémi dit alors : " Vois, ta belle-soeur s' en est retournée vers son peuple et vers son dieu; retourne toi aussi, et suis-la. "
Rot Rt 1:16 And Ruth said, Intreat me not to leave thee, or to return from following after thee: for whither thou goest, I will go; and where thou lodgest, I will lodge: thy people shall be my people, and thy God my God: Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin' ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; Ruth répondit : " Ne me presse pas de t' abandonner et de m'éloigner de toi, car où tu iras, j' irai, où tu demeureras, je demeurerai; ton peuple sera mon peuple et ton Dieu sera mon Dieu.
Rot Rt 1:17 Where thou diest, will I die, and there will I be buried: the Lord do so to me, and more also, if ought but death part thee and me. izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon' i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika. izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy. Hoentin' ny Tompo amin' izay sarotra indrindra anie aho, raha tsy ny fahafatesana tokana no hahasaraka ahy aminao. Là où tu mourras, je mourrai et là je serai ensevelie. Que Yahvé me fasse ce mal et qu' il y ajoute encore cet autre, si ce n' est pas la mort qui nous sépare! "
Rot Rt 1:18 When she saw that she was stedfastly minded to go with her, then she left speaking unto her. Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy. Nony hitan' i Noemì fa tapa-kevitra ny hanaraka azy Rota, dia najanony ny teny nandodonany azy. Voyant que Ruth s' obstinait à l' accompagner Noémi cessa d' insister auprès d' elle.
Rot Rt 1:19 So they two went until they came to Bethlehem. And it came to pass, when they were come to Bethlehem, that all the city was moved about them, and they said, Is this Naomi? Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity? Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betleema. Nony niditra an' i Betleema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: Fa Noemì ve io e? Elles s' en allèrent donc toutes deux et arrivèrent à Bethléem. Leur arrivée à Bethléem mit toute la ville en émoi : " Est-ce bien là Noémi ? " s'écriaient les femmes.
Rot Rt 1:20 And she said unto them, Call me not Naomi, call me Mara: for the Almighty hath dealt very bitterly with me. Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon' ny Tsitoha amiko. Dia hoy izy tamin' ireo: Aza atao hoe Noemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon' ny Tompo safotry ny mangidy aho. " Ne m' appelez plus Noémi, leur répondit-elle, appelez-moi Mara, car Shaddaï m' a remplie d' amertume.
Rot Rt 1:21 I went out full and the Lord hath brought me home again empty: why then call ye me Naomi, seeing the Lord hath testified against me, and the Almighty hath afflicted me? Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin' i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy? Feno tànana aho no nivoaka fa foan-tànana kosa no ampodin' ny Tompo. Ka ahoana no hiantsoanareo ahy hoe Noemì ihany; nefa Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy. Comblée j'étais partie, vide Yahvé me ramène! Pourquoi m' appelleriez-vous encore Noémi, alors que Yahvé a témoigné contre moi et que Shaddaï m' a rendue malheureuse ? "
Rot Rt 1:22 So Naomi returned, and Ruth the Moabitess, her daughter in law, with her, which returned out of the country of Moab: and they came to Bethlehem in the beginning of barley harvest. Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin' izy niverina avy tany amin' ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin' ny niandohan' ny taom-pijinjana ny vary hordea. Toy izany no nodian' i Noemì, ary niaraka taminy Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy any amin' ny tanin' i Moaba. Tonga tao Betleema izy ireo tamin' ny niandohan' ny fijinjana ny orja. C' est ainsi que Noémi revint, ayant avec elle sa belle-fille Ruth, la Moabite, celle qui était revenue des Champs de Moab. Elles arrivèrent à Bethléem au début de la moisson des orges.

<-
->